-
1 Peter 1
- 1 Petera, Apostolin’ i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy
- 2 araka ny fahalalana rahateo, izay an’ Andriamanitra Ray, amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy, ho amin’ ny fanarahana sy ny famafazan’ ny ran’ i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
- 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ ny famindram-pony ho amin’ ny fanantenana velona tamin’ ny nitsanganan’ i Jesosy Kristy tamin’ ny maty,
- 4 ho amin’ ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
- 5 izay arovan’ ny herin’ Andriamanitra amin’ ny finoana ho amin’ ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
- 6 Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
- 7 mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ ny afo aza), dia amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
- 8 Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
- 9 mandray ny anton’ ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
- 10 Ny amin’ izany famonjena izany dia notadiavin’ ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
- 11 eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ ny Fanahin’ i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian’ i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
- 12 Ary naseho tamin’ ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin’ izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin’ ny tenin’ ireo nitory ny filazantsara taminareo amin’ ny Fanahy Masìna, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian’ ny anjely hodinihina.
- 13 Koa amin’ izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
- 14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ ny tsi-fahalalanareo;
- 15 fa araka ny fahamasinan’ ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masìna koa ianareo amin’ ny fitondran-tena rehetra,
- 16 satria voasoratra hoe: “Ho masìna ianareo, satria masìna Aho”.
- 17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’ olona, fa mitsara araka ny asan’ izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ ny fahatahorana mandritra ny andron’ ny fivahinianareo etỳ;
- 18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ ny nentin-drazana,
- 19 fa ny rà soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
- 20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, fa efa naseho tamin’ izao andro farany izao noho ny aminareo
- 21 Izay mino an’ Andriamanitra amin’ ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin’ ny maty ka nanome voninahitra Azy,― mba hiorenan’ ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’ Andriamanitra.
- 22 Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin’ ny fo;
- 23 fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
- 24 Fa “ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
- 25 Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay”. Ary izany no tenin’ ny filazantsara izay notorina taminareo.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.