-
Nehemiah 1
- 1 Ny tantaran’ i Nehemia, zanak’ i Hakalia. Tamin’ ny volana Kisleo tamin’ ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho,
- 2 dia tonga Hanany, anankiray amin’ ny rahalahiko, mbamin’ ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin’ ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin’ ny fahababoana, ary ny amin’ i Jerosalema.
- 3 Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin’ ny fahababoana izay any amin’ ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’ i Jerosalema sady nodoran’ ny afo ny vavahadiny.
- 4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ Andriamanitry ny lanitra
- 5 ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
- 6 aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman’ alina ho an’ ny Zanak’ Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan’ ny Zanak’ Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.
- 7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an’ i Mosesy mpanomponao.
- 8 Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an’ i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin’ ny firenena maro Aho;
- 9 nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin’ ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
- 10 Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin’ ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.
- 11 Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason’ io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.