-
Job 18
- 1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
- 2 Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
- 3 Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
- 4 Ry ilay mamiravira tena amin’ ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ ny fitoerany?
- 5 Tsy izany, fa ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
- 6 Ny mazava manjary maizina ao amin’ ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
- 7 Etena ny herin’ ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
- 8 Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin’ ny harato izy;
- 9 Azon’ ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon’ ny tadivavarana
- 10 Miafina ao amin’ ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
- 11 Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin’ ny alehany rehetra.
- 12 Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;
- 13 Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin’ ny lahimatoan’ ny fahafatesana.
- 14 Ongotana hiala amin’ ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin’ ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
- 15 Izay tsy taranany no hitoetra ao amin’ ny lainy; Solifara no hafafy amin’ ny fonenany.
- 16 Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.
- 17 Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin’ ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
- 18 Roahina hiala amin’ ny mazava ho any amin’ ny maizina izy ary enjehina hiala amin’ izao tontolo izao.
- 19 Tsy manana fara mandimby eo amin’ ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin’ ny fonenany.
- 20 Ny manjo azy dia italanjonan’ ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
- 21 Izany tokoa no anjaran’ ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an’ Andriamanitra.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.