-
Titus 2
- 1 Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema;
- 2 ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin’ ny finoana, amin’ ny fitiavana, amin’ ny faharetana.
- 3 Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masìna, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
- 4 mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
- 5 hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’ Andriamanitra.
- 6 Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
- 7 ka amin’ ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin’ ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
- 8 ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.
- 9 Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin’ ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,
- 10 tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ ny zavatra rehetra.
- 11 Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
- 12 mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filan’ izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana ankehitriny izao,
- 13 miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy,
- 14 Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany.
- 15 Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.